Tapa-bolana latsaka kely na 14 andro taorian’ny
fifidianana fifidianana Filohan’ny Antenimierampirenena nahalany an’I Siteny Randrianasoloniako vao voafidy ireo birao maharitra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Voafidy ireo filoha lefitra miisa 6, kestora 3 ary mpampaka-teny 2. Miisa 133 no isan'ireo solombavambahoaka tonga nandatsa-bato. Tahaka izao ny firafitra, Filoha lefitra: Antananarivo : Fetra Ralambozafimbololona (vato : 97); Antsiranana : Boura Reglage (vato: 102); Mahajanga : Afakandro Christian (vato:125); Fianarantsoa : Andrianjanahary Fanomezantsoa (vato:94); Toamasina : Fidele Razara Pierre (vato: 109); Toliara : Marco Tsaradia (vato:104). Kestora 1: Depiote RANDRIAMASINORO Tahiry Ny Rina (Tanà IV); Kestora 2: Depiote RAKOTOARISOA Fenohery Jhonny (Ambohidratrimo); Kestora 3: Depiote MAMIHAJA Charlot (Mananjary); Mpampaka-teny : Mpampaka-teny: Depiote Hubert RAKOTOSON (Mahanoro); Mpampaka-teny jeneraly : Depiote RAHARIMANARIVO Voahaniaina Berthine (Atsimondrano). Manana ny maro an’isa ao anatin’io izany ny Vondrona Parlemantera Firaisankina izay 7 hatramin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Andaniny, nilaza ny depioten’Arivonimamo Rajerison Antoine, fa fifidianana efa vita nialoha no nitranga tao Tsimbazaza, ary efa nivoaka nialoha ny anaran’ireo ho lany. Nisy volabe sy fampitahorana ireo mpifidy nandeha tao ambadik’iny fifidianana iny, hoy izy izay nanizingizina fa afaka mijoro vavolombelona amin'izany. “Fanovana sy fanavaozana no dradradradraina kanefa tsy miala amin'ny fomba ratsy fanao teo aloha ny zava-misy. Ho anay ato amin'ny antoko politika FIVOI, dia tsy ny vola no mibaiko. Tsy voavidy vola izahay ", hoy I Antoine Rajerison. Andaniny, « Fifandresen-dahatra no nisy tao amin’ny antenimierampirenena tamin’ny fifidianana ny Birao Maharitra omaly fa tsy nisy resaka vola izany mihitsy. Tahaka ny tamin’ny fanesorana an’i Andry Rajoelina ihany io : tena resaka conviction, resy lahatra ireo depiote ka nanome lamosina an-dRajoelina. Tsisy resaka vola na ny Ariary aza. », hoy ny depiote Fidele Razara Pierre. Mafampana sy miovaova be ny sary ao Tsimbazaza niainga tany amin’ny 14 oktobra, nisian’ny fanonganana an-dRajoelina, ny fifidianana nalahany an’I Siteny Randrianasoloniaiko, ny filazan’ny IRMAR fa manana ny maro an’isa, ny fialan’ny 80% tamin’ny IRMAR, ny fialan’ny antoko TIM anatin’ny Vovonana Firaisankina nanomboka omaly,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.