Fifidianana solontena ho ao anatin’ny CNIDH

Misavoritaka sy mifampiahiahy ireo fiarahamonim-pirenena…


  • Alakamisy 15 Mey 2025

Nanao antso sy fitarainana miantefa amin’ny filoham-pirenena sy minisitry ny fitsaràna

tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga omaly ireo fiarahamonim-pirenena ary nilaza izy ireo fa mahatsiaro ho voahitsakitsaka ny zony. Hita izany, hoy izy ireo, mikasika ny fifidianana izay ho solontenanay anaty CNIDH. Tsy voahaja intsony ny lalàna 2015-52, andininy faha 5, fa serasera tsotra no atao. Tsy ara-dalàna izany. Tsy voahaja koa ny fomba fananganana ny kaomisionina iraisana na «commission ad’hoc». Amin’ny 8 sasany alina ny fiarahamonim-pirenena no mahazo hafatra an-telefaonina fa hoe mivory manangana izany rahampitso maraina amin’ny 9. Tsy minisiteran’ny fitsaràna no ratsy fa ny tomponandraikitra tsy mikarakara ny fifidianana CNIDH anatin’izany minisitera izany. Tokony ho fitaratra amin’ny fanarahan-dalàna izy. Izay fiarahamonim-pirenena niantsehatra tamin’ny zon’olombelona tao anatin’ny 3 taona, fara faha keliny, no tokony mandray anjara amin’ny fifidianana kaomisionina ad’hoc amin’ny filatsahana kandidà amin’ny fifidianana izay ho solontenany anatin’izany CNIDH izany. Tsy izay nefa no nitranga fa voahitsakitsaka tanteraka ny lalàna. Antso avo no atao amintsika fiarahamonim-pirenena. Voafehin’ny andininy 60-133 isika. Tsy manao politika kanefa ianareo sasany izay milaza azy ho fiarahamonim-pirenena any ambadika any dia hita fa mpanao politika tanteraka. Avaho tsara ilay hoe fiarahamonim-pirenena manabe vahoaka fa tsy fiarahamonim-pirenena miditra anatin’ny antsoina hoe fiarahamonina politika! Amin’ireo kandida sy kaomisionina ad’hoc ireo dia efa hitanao fa mpanao politika. Aoka isika fiarahamonim-pirenena tsy ho raviravezan’ny mpanao politika! Mijanonà ho fiarahamonim-pirenena tsy miandany! Tsy asian’ny olona hasiny isika raha izao no mitohy. Tsy mahita lisitra kandidà mandehandeha any izahay hatreto, hoy hatrany ireto fiarahamonim-pirenena ireto omaly. Raikitra, noho izany, ny fangatahana fanafoanana ny fifidianana izay tokony atao anio ho an’ireto fiarahamonim-pirenena nivory tetsy Ambatonakanga omaly ireto, noho izay heverin’izy ireo tsy fanarahan-dalana maro hitany izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT