Actualités

Fifidianana sefo sektera-Ambohibarikely Anosibe Misy manao fitaovana ny anaran’ny prefe


  • Talata 07 Martsa 2023

Nirava maina ilay fifidianana sefo sektera tao amin’ny Fokontany Ambohibarikely Anosibe, Boriborintany fahaefatra afak’omaly qlahady.

Tsy nanaiky izany mantsy ireo vahoaka miisa 3.000 tokony nandray anjara tamin’ity fifidianana ity. Olona 270 isa monja no tonga tsy ampahafolon’ny mponina akory. Lehilahy iray mitonona ho lehiben’ny fandriampahalemana ao amin’ity Fokontany iray ity izay hangatahin’ny mponina ny hanalana azy no fantatra fa nikarakara io fifidianana io. Nilaza izy fa nahazo alalana avy amin’ny prefektiora. Notsindriany ihany koa fa ny prefet no nilaza taminy fa tsy mahazo milatsaka hofidiana intsony ny sefo sektera teo aloha. Rehefa notakian’ny vahoaka anefa io taratasy io dia fantatra fa tsy misy soratra manamarina eny amin’ny lohany fa avy amin’ny prefektiora marina. Tsy nisy sonian’ny prefe ihany koa izany fa mbola ny sonian’ity lehilahy ity ihany no hita teny amin’ny faran’io taratasy io niaraka tamin’ny fitomboky ny Fokontany. Sady tsy mpiasan’ny Fokontany ao Ambohibarikely anefa ity lehilahy ity no tsy sefo sektera teo aloha ihany koa. Badge voalaza fa nomen’Atoa Alain Ramaroson azy tamin’ny taona 2009 no mbola hampiasainy mandraka ankehitriny izay milaza fa lehiben’ny andrimasom-pokonolona eny an-toerana ny tenany. Manampatra fahefana amin’ireo mponina ao Ambohibarikely Anosibe hatrany araka izany ity lehilahy ity ka velon-taraina avokoa ny isan-tokantrano. Vaovao farany voaray mikasika ity tranga ity moa ny fanangonan-tsonia hataon’ny mponina izay hoaterina eny anivon’ny Ministeran’ny Atitany hanehoana fa tsy ara-dalana io fifidianana natao io. Hangatahin’ireo mponina ihany koa ny fahafahan’ny sefo sektera teo aloha milatsaka hofidiana noho ny asa tsara vitan’ireto farany hatramin’izay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT