Haneho ny heviny mikasika ny fifidianana kaominaly eto Antananarivo renivohitra ny minisitra Ramanantsoa Ramarcel Benjamina
. Anio maraina, eny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo no hanaovan’ity minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ity ny fanambarana mikasika izany. Mpikambana ao amin'ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) izy, tsy manana kandida eto an-drenivohitra anefa ny MTS. Fanohana ny iray amin'ireo kandida sivy ve no hataony ? Fanambarana amin'ny anarany manokana sa amin'ny anaran'ny antoko ? Anio no hamantarana ny valiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.