Tsy mahazaka fifaninanana sahady ireo miomana hirotsaka amin’ny fifidianana Ben’ny Tanana ho avy io. Izao mantsy ny sasany dia efa mitady tetika haminganana ny namany sahady, araka ny resaka nifanaovanay tamina Ben’ny Tanŕna iray ivelan’Antananarivo Renivohitra. Rehefa avy nandray ny fisoratam-panambadiana faharoa notanterahiny mantsy ity Ben’ny Tanana ity ny sabotsy lasa teo dia akory ny hahatairany nahita vovo-kazo sy poti-javatra teo amin’ny seza fipetrahany
Efa avy nipetraka teo amin’io sezany io anefa ity Ben’ny Tanana ity tamin’ny fotoana nahatongavany ary nadio tsara izany. Soa ihany anefa fa olon’Andriamanitra aho hoy ihany izy ka tsy natahotra. Raha araka ny fahitan’ity Ben’ny Tanana ity ny zava-nitranga moa dia olona tsy lavitra azy ihany no nanao ity karazana hasomparana ity noho io olona io voakaraman’ireo mpifaninana aminy hafa. Manao antso avo amin’ireo Ben’ny Tanana namany mbola am-perin’asa araka izany ity Ben’ny Tanana ity mba ho malina satria ny ratsy tsy kely lalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.