Fifehezana

ny mekanika fiara


  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mpiadina miisa 2.582

miatrika fanadinana nasionaly
Tanterahina nanomboka ny 07 oktobra 2026 ny fanadinana nasionaly famaranana ny Formation Professionnelle Qualifiante (FPQ) amin’ny mekanika fiara, andiany faharoa ho an’ny taona 2026. Miisa 2 582 ireo mpiadina mitsinjara amin’ny Faritra 13 ny fanadinana, ka 1 404 amin’ireo mpiadina no eto Analamanga. Mpiadina miisa 2.044 amin’ny « Maintenancier en Mécanique Automobile – Niveau 1 » ary 538 amin’ny « Mécanicien Réparateur Automobile – Niveau 2 ». Telo andro no aharetan'ity fanadinana nasionaly ity adina an-tsoratra no natrehin'ny mpiadina tamin'ny andro voalohany ny 7 oktobra, raha ny fanadinana pratika kosa ny 08 sy 09 oktobra 2026. Ity dingana ity dia manamarina ny fahaiza-manao azon’ireo tanora nandritra ny fiofanana ary manomana azy ireo hiroso amin’ny tontolon’ny asa, mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatry ny mekanika fiara. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanadinana tao amin’ny LTP Ampefiloha ny Tale Jeneralin’ny Fanofanana arak’Asa, Ramiandrarivo Aina Andriamijery.
Jean D.
Mpiadina momba ny mekanika fiara tao amin’ny LTP Ampefiloha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

Hijery ny tohiny
FTT