Fifanolanan’ny mpitsara sy ny Minisitera

Nitory sady hampikatso ny fitsarana ny SMM anio


  • Talata 05 Novambra 2024

liha mafana ny tontolon’ny fitsarana taorian’ny fampiatoana sy ny fanapahan-karama ho an’ireo mpitsara miisa 4

eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny 28 oktobra lasa teo. Nanapa-kevitra ny hampiato ny asany ny Mpitsara manerana ny Nosy anio 05 novambra 2024 ho fa fanehoam-katezerana. Nosokajian’ny SMM ho tsy ara-dalàna ny fanapahana, tsy nangatahina akory ny hevitr’ireo Lehiben’ny Fitsarana araka ny takian’ny andininy faha-60 ny Sata mifehy ny Mpitsara, ary indrindra indrindra tsy ara-drariny na tsy mitombina velively ny hanenjehina azy ireo. Nametraka fitoriana fidirana an-tsehatra ho fanohanana ny fangatahana fanafoanana sy fampiantoana ireo fanapahana mampiato amin’ny asany, sady manapaka ny karamany, napetrak’ireo mpitsara 4 voakasik’izany noho izany ny SMM tarihin’ny Filohany Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa. Nangataka ny hisintonan’ny Minisitry ny Fitsarana ny fanapahana noraisiny ary tsy handray fepetra tahak’izany intsony mandritra ny fe-potoana maha-ministra azy ny SMM. Nanamarika kosa fa manohana manontolo ny ady amin’ny kolikoly raha toa ka ireo tena nanao izany no enjehina. Tsy tokony afangaro amin’ny kolikoly kosa ny fahefana nomen’ny lalàna ny Fampanoavana handinika ny heloka tokony enjehina sy ny fijerena ny vesatra tena misy, hoy hatrany ny SMM. « Tsy manao « coorporatisime » ary tsy miaroaro fahatany ny SMM, fa mahalala ny setroka sy ny tomany, hoy ny Filohan’ny SMM. Lasa miteraka ahiahy amin’ny mpitsara hoe : raha izao ny fanapahan-kevitra horaisina dia miato amin’ny asa ary raha tsy izao dia mety hiato amin’ny asa ihany koa. », hoy ny ampaham-panehoan-kevitry ny Filohan’ny SMM. Andaniny, tsy niandry ela fa nitondra valy bontana ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny fanambarana teny amin’ny Foibeny eny Faravohitra, ka nilaza fa fahadisoana arak’asa no nampiatoana ireo mpitsara.
VALIN-KAFATRY NY MINISITERA !
Nilaza ny Minisitera notarihin’ny Minisitra Atoa Rakotomandimby Desiré Alexis omaly nandritra ny fananganan-tsaina, fa tsy voatery ho amin'ny fanasaziana ihany, fa hamoaka fankasitrahana (Sancition positive) ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana, ho an'ireo olona miasa tsara sy manao ezaka, araka ny fanambarany. Taorian’ny fanambaran’ny SMM kosa, namoaka fanambarana ny Minisitera tamin’ny alalan’ireo lohan’ny mpisorona fa misy fanaraha-maso ny politika famaizana na « politique pénale » momba ny fanolanana, vono olona, herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, fakana an-keriny, zava-mahadomelina, famarinana olona. Ireo mpitsara minia mandika na tsy manaja ny fepetra voarakitra ao anatin’ny politika famaizana dia handraisan’ny minisitera fepetra henjana mba hiarovana ny vahoaka sy hisian’ny fandriampahalemana. Milaza ho manaja ny fahaleovantenan’ny mpitsara amin’ny famoahana didy ny Minisitera. Nambara anefa fa ireo mpitsara ireo dia olona natao hanatanteraka baiko mikasika ny politika famaizana, ka nisy tamin’izy ireo no nikirakira raharaha momba ny fanolanana zaza 8 taona, nisy niandraikitra raharaha fanafihana mitam-piadiana, halatra miaro famonoana olona feno habibiana. Fitarainana nataon’olon-tsotra, ary nisy fitsirihana manokana na « inspection »,... Nambara fa ireo voakasiky ny fampiatoana, na ny SMM dia tsy nisy nanantona ny Minisitera nialohan’ny fivoriambe natao omaly. Niniana tsy notononina ny anaran’ireo voakasiky ny fampiatoana na ny antony, mba ho fanajana ny zony, fa mbola handalo filankevi-pifehezana, hoy ny Minisitera. Nambara fa misokatra amin’ny fifampidinihana sy fifampiresahana ny Minisitera. Nolazaina fa misokatra avokoa ny fotoam-pitsarana rehetra anio. Andrasana izany izay tena hitranga !
Toky R

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT