Actualités

Fifanolanana an-taonany amin’ny banky Tsy rariny ny fanaparam-pahefana, hoy i Lercia


  • Talata 30 Jona 2020

Mitaky ny hanajanonan’ny fitsarana famoahana « réputé contraditoire » mikasika ny raharaha efa an-taonany maro hifanolanany amin’ny banky BMM Atoa LERCIA mpandrahara avy any Toamasina ary efa monina eto Antananarivo ankehitriny.

 

 

 

Fantatra, hoy izy, fa resy hatrany ity banky tamin’ny fifanandrinana nisy ary tamin’ny farany aza dia nambaran’ny fitsarana mahefa fa “irrecevable” ny “PILE” nataon’izy ireo. Teny an-tsefatsefany teny anefa, hoy hatrany Atoa Lercia, dia nisy ny « réputé contradictoire » na hoe natrehana na tsy natrehana nataon’ity banky ity an-tsokosoko. Anarana « avocat » hafa no tao anatiny izay tsy nisoratra tety amin’ny ivelan’ny « chemise » akory ary tsisy « letttre de consitution mihitsy tao anatin’io « chemise » io. Mazava loatra tsy nety nanao “conclusion” tamin’izany ny mpisolovavako, hoy izy. Manoloana an’izany dia hita fa tsy rariny sy fandikan-dalàna mpihoampampana izany fanaovan’ity banky ity “faux actes” tahaka izany. Efa resy indray tao amin’ny “Bref délai” nataony ity banky ity ka tokony nanao “appel” fa tsy hanao “bref délai” vaovao indray satria manao “autorité de la chose jugée” izany fa ny “même affaire, même juridiction’. Rehefa tsy mipoitra ny olona iray dia hanaovana “jugement par défaut”, hoy ity mpandraraha ity fa tsy hamoronana adiresy hafa izay tsy fandefasany taratasy mihitsy. Tsy naharay an’io fiantsona io aho fa narary tanyamin’ny hopitaly, hoy izy. Manao “opposition” amin’io raharaha io ny tenako, araka izany, hoy Atoa Lercia, fa mbola mandeha any Toamasina sy eto Antananarivo ity raharaha ity ka tokony hanaovana famotorana lalina fa ampy izay ny fanaovana lalan-dririnina ny raharaham-panjakana fa n’iza n’iza diso dia mendrika ny hampiharina aminy ny sazy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT