Actualités

Fifanolanan’ny MBS sy ny fanjakana Mety hiakatra fitsarana


  • Alarobia 24 Jona 2015

Mijoro ara-dalŕna ny orinasa «Malagasy Broadcasting System» izay voaporofon’ny «registre de commerce», hoy ny tale jeneralin’ny Vondrona MBS Rakotoarivelo Mamy omaly teny Faravohitra manoloana ny taratasy fisintonana

 

fahazoan-dalana (licence) nalefan’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana milaza fa tsy misy sy tsy manana zo hitrandraka intsony ny haino aman-jery. Tsy mitombina ny voalazan’ny bokin’andraikitra momba ilay fe-potoana 3 volana tsy niasana satria iaraha-nahalala ny fanapotehana ny orinasa tamin’ny 26 janoary 2009. Tsy ara-dalàna rahateo ny taratasy avy amin’ny tale jeneralin’ny minisitera mpiahy izay manao sonia amin’ny alalan’ny «Commission Spéciale à la Communication Audiovisuelle» izay zo manokan’ny minisitra tompon’andraikitra. Tsy mana-jo hitaky ny trosa tsy voaloan’ny orinasa ihany koa ny ministeran’ny Serasera  fa andraikitry ny sampan-draharahan’ny hetra no manao izany saingy tsy naharay izany hatreto ny Vondrona MBS, hoy ny tale jeneraly. Mangataka ny fampitsaharana ny herisetra ara-teknika avy amin’ny fanjakana mihatra amin’ny haino aman-jery nanomboka ny 3 jona 2015 ny mpitantana sy mpiara-miasa rehetra. Efa mangetaheta tanteraka ny hiverenan’ny MBS rahateo ireo mpanjifa marobe ka tokony hahatsapa ny manampahefana izay miandrandra fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena. Voatery hampiakatra ny raharaha eo anoloan’ny fitsarana ny Vondrona MBS raha tsy voavahan’ny ministera mpiahy ny olana, hoy ny tale jeneralin’ny orinasa. 


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT