Lasan’ny fokontanin’Atsimomparihy ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny amboara tamin’ilay fifaninanana tanàna madio nokarakarain’ny kaominina Ambohidratrimo sy ny orinasa Vivo Energy.
Tonga nanolotra ny loka ho an’ity fokontany ity ny Vivo omaly, dia ny daban-jaoridira miisa 40, zanakazo maro samihafa, ny fanavaozana ny toerana hahazoana maka rano fisotro madio. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mponina, indrindra hampirisihina azy ireo hamboly hazo sy hanao karazana zaridaina hahazoana sakafo azo antoka toy ny anana. Miisa sivy ireo fokontany nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Nampiavaka an’Atsimomparihy kosa ny fahaizany nanadio sy nanatsara ny farihin’Amparihy. Anisan’ny antony nanosika ny orinasa Vivo Energy hanolotra fanomezana ho azy izany satria adidin’ny tsirairay ny miaro sy mikajy ny tontolo iainana, hoy Razakaboana Johanne, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasa iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.