FIFANINANANA « PRIX PIERRE CASTEL »

Hifarana ny 30 may ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora mpandraharaha


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Nanomboka ny taona 2022 dia niditra an-tsehatra teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny STAR

ny fifaninanana Prix Pierre Castel izay karakarain’ny Fonds Pierre Castel ary mitodika amin’ireo tanora mpandraharaha eto Afrika. Ho an’ity taona 2025 ity dia omen-danja bebe kokoa ireo tetikasa mitondra fanavaozana sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana, fa ihany koa mitsinjo ny tontolo iainana. Famatsiam-bola 25.000€, ary tantsoroka sy fanofanana isan-karazany no ho azon’ny mpandresy tsirairay avy, avy amin’ireo orinasa 7 ao anatin’ny Groupe Castel izay mandray ny fifaninana toy ny Castel El Djazaïr (Algérie), BRAKINA (Burkina Faso), Boissons du Cameroun (Cameroun), SOLIBRA (Côte d’Ivoire), BRACONGO (RD Congo), BRASIMBA (RD Congo), STAR (Madagascar). Mbola hifaninana indray izy 7 ireo ka izay mahazo ny laharana voalohany dia tafiakatra 35.000€ ny famatsiam-bola ho azony.Tanora mpandraharaha 18 hatramin’ny 45 taona, mitondra fanavaozana, mampiasa ny teknolojia eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary mitsinjo ny tontolo iainana no afaka mandray anjara amin’izany, mizaka ny zom-pirenena malagasy ary mipetraka eto Madagasikara. Manana orinasa mijoro ara-dalàna ary efa niasa herin-taona farafahakeliny. Mitondra tetikasa mampivoatra sy azo refesina ny akony eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-tontolo iainana. Hifarana ny 30 May ho avy izao ny fisoratana anarana. Ny 02ka hatramin’ny 13 jona ny fanaovana ny sivana rah any 16 ka hatramin’ny 24 Jona ny fitsidihana eny an-kianja. Ny herinandron’ny 30 Jona kosa no fiatrehana ny mpitsara eto an-toerana sy fisafidianana izay mpandresy Malagasy raha ny herinandron’ny 07 jolay ny fiatrehana ny fitsaràna lehibe sy fisafidianana ny mpandresy afrikanina.
Pati Legende : Nandritra ny fampahafantarana nataon’ny tompon’andraikitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT