Actualités

Fifaninanana hira frantsay 2014 Haharitra 100 andro mahery ny andiany fahatelo


  • Talata 22 Jolay 2014

Miditra amin’ny andiany fahatelo amin’ity taona 2014 ity ny fifaninanam-pirenena miompana amin’ny hira frantsay karakarain’ny Alliance française eto Madagasikara

Ny 14 jolay teo no nanomboka ity fifaninanana fitiliana sy fanohanana ireo manana talenta vao tokony hasongadina eo amin’ny fifehezana ireo karazan-kira frantsay ity. Haharitra hatramin’ny faha-25 oktobra 2014 ny hetsika misokatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny trano ara-kolontsaina frantsay monina eto Madagasikara rehetra mihoatra ny 16 taona mahafeno ny fepetra takiana toy ny fandoavana latsakemboka, tsy matihanina ary tsy mbola namoaka raki-kira teo amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena.  Tsy voafetra ny fisehon’ireo mpandray anjara saingy tsy maintsy amin’ny fiteny frantsay kosa ny hanaovana izany amin’ny alalan’ireo lohateny miisa 200 ampisafidianin’ny Alliance française. Afaka misafidy lohateny roa ka hotrandrahana ireo mpandray anjara isanisany. Ny fitsidihana an’i Lafrantsa no loka miandry izay mpandresy amin’ny fifaninanana ka hiantohan’ny mpikarakara sy ny mpiara-miasa ny lany rehetra amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT