FIFANINANANA HIDIRANA HO POLISY

Taratasim-panadinana miisa 3.000 no hotsaraina


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Nanomboka afak’omaly Alatsinainy 30 Septambra ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo

mpiadina niatrika ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena andiany faha-79 natao ny 14 sy ny 15 Septambra lasa teo. Mitontaly 3.000 isa eo ho eo ireo taratasim-panadinana ireo mitsinjara amina mpampianatra miisa 60 avy amin’ny lisea eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia haharitra 10 andro izany fitsarana izany. Ny taranja Frantsay sy ny matematika ary ny Malagasy no nanadinana ireo mpiadina tamin’izany ka itsy faharoa no tena nampitaraina ny maro. Somary sarotsarotra izany hoy ireo mpiadina nefa manantena ny hahazo naoty ihany izy ireo na dia izany aza. Tsiahivina moa fa nampitomboana 200 isa ireo mpianatra horaisina ho polisim-pirenena amin’ity taona ity ka izay mahay ihany no hahazo ny toerana hoy ny tompon’andraikitra. Hiarahany amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly mantsy ny fanaraha-maso izany nanomboka tamin’ny fiatrehana ny fanadinana ka hatramin’izao fotoam-pitsarana ny taratasim-panadinana izao.
Pati
Legende : Mafotaka tahaka izao ny asan’ireo mpitsara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT