Omaly alatsinainy 28 septembra no natomboka ny fifaninanana hidirana ao amin'ny sekoly miaramilam-pirenena (SEMIPI) ao Fianarantsoa.
Tonga nijery ny fizotran` izany fifaninanana izany ny lehiben'ny Etamazaoron'ny tafika, Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Miisa 1 307 ireo mpifaninana ka 70 amin` izy ireo ihany no horaisina miaramila. 50 isa ao amin'ny fianarana ankapobeny ary ny 20 amin'ny fianarana ara-teknika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.