FIFANDRAISANA

IRAISAM-PIRENENA


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

Mila mahay manararaotra ny fifaninanan'ny

Tatsinanana sy Tandrefana i Madagasikara
Miditra amina kihon-dalana iray lehibe ny.diplaomasia Malagasy amin'izao fotoana. Mifantoka betsaka amin'ny fampandrosoana ara-toekarena sy fampivoarana ny lafiny ara-tsosialin'ny malagasy. Voaresaka tamin'ny fihaonan'ny kolonely Randrianirina Michael, filohan'ny fanavaozana ny repoblika tamin'i Vladimir Poutine, filohan'ny Federasiona Rosia tany Moscou ohatra ny resaka angovo, fambolena, fampianarana, fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Sehatra goavana samy manana ny maha izy azy eo amin'ny fiainan'ny firenena ary heverina fa hitondra tombotsoa lehibe sy maharitra ho an'ny vahoaka malagasy raha voarindra tsara ny asa atao aminy. Amin'ity herinandro ity dia ho any Lafrantsa indray ny kolonely Michael.ary hihaona mivantana amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron. I Lafrantsa no mpiara-miombon'antoka laharana voalohany amin'i Madagasikara no sady firenena manan-danja eo anivon'ny vondrona eoropeana. Marina fa tsy maintsy misy ny resaka.politika, fa ny tena andrasana dia ny momba ny fifanakalozana ara-barotra na fiaraha-miasa amin'ny sehatra maro samihafa. Inoana fa mahafantatra tsara ny fitsokan'ny rivotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena ny mpitondra frantsay ka hisafidy ny tena fiaraha-miombon'antoka fa tsy hivazizotra intsony amin'ny resaka fanjanahana sy fanambakana. Fihetsika mifono hafatra lehibe iny dian'ny Filoha Malagasy tany Moscou iny sy nandraisana azy tamin'ny fomba manetriketrika tao amin'ny Kremlin. Tsy misy ny fifandonana mivantana saingy mibaribary be ny fifaninanana eo amin'ireo firenen-dehibe tatsinana sy tandrefana, samy te haka ny fon'ny firenena afrikana .Mila mailo koa anefa ny afrikana sao domin'ny olona tapany dia handoa herany avy eo. Izay no maha zava-dehibe ny fananana diplaomasia matotra, fifehezana ny fifandraisana iraisam-pirenena ary fananana haitarika matanjaka amin'ny resaka fifampiraharahana. Tokony mahay manararaotra io fifaninanan'ny firenen-dehibe tandrefana.sy tatsinanana io i Afrika, ao anatin'izany i Madagasikara mba hisitrahana fiaraha-miasa, fiaraha-miombon'antoko ary fanampiana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT