Somary nanahirana ny fifandraisana amin` ny internet na ny aterineto eto Madagasikara nanomboka ny talata lasa teo.
Efa miha maro ireo olom-pirenena no manaraka vaovao amin` ny tambajotra serasera. Eo ihany koa ny fepetra noraisin` ireo orinasa maro fa hampiharina ny « télétravail », izany hoe, miasa any an-trano fa alefa amin` ny alalan` ny aterineto ny asa, izay hamela ny fitohizan' ny asan' ny orinasa sy hiantohana ny fiarovana ny ain` ny mpiasa. Mikorontana anefa ny fifandraisana satria miha maro no mampiasa aterineto eto Madagasikara. Mila mitady vahaolana maika manoloana izany ireo mpisehatra amin` ny aterineto amin` izao ahamena eto amin` ny firenena izao. Mila maharaka ara-potoana ny zava-misy ny vahoaka amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao. Etsy ankilany, mbola manano-sarotra ihany koa ny fampidirana aterineto an-trano isan-tokatrano. Toa tsy natao ho an` ny olon-drehetra anefa izany. Raha maniry hanana aterineto an-trano ny mpanjifa iray dia izy no miantoka ny lany rehetra amin` ny fampidirana izany. Ny mpanjifa no miantoka ny Box, aloa vola tolo-botsotra. Tsy maintsy manana “onduleur” hiarovana ny fitaovana efa novidian'ny mpanjifa, nefa dia giazana tsy maintsy mijanona mandritra ny 2 taona amin'ny mpisehatra aterineto. Raha toa ka mikasa hiala ao anatin` izay roa taona izay dia dia mbola vola be koa no takiany amin` ny mpanjifa. Any ivelany anefa 20euros na 80 000 ariary isam-bolana dia mahazo “connexion fibre très haut debit”, miampy 270 “chaines télévisées”, miampy fifandraisana tsy voafetra na eto an-toerana na any ivelany amin'ny firenena 100 mahery maneran-tany. Eto Madagasikara, tsy mahenika ny Firenena akory ny connexion, kanefa vidiana lafo 200 000 ariary hatramin` ny 300 000 ariary (75 euros) isam-bolana. Ny “connexion” fotsiny anefa izay. Ny saran` ny fahana amin` ny finday moa dia tsy azo saintsainina intsony ny halafony. Tena mipetraka ho isan’ireo fitaovana fototra amin’ny fampandrosoana tokoa ny fikirakirana ny teknôlôjia nomerika ary izany no miantoka ny fahombiazan’ireo firenena matanjaka. Ilaina, araka izany, ny fikatsahan` ny tombontsoan` ny rehetra fa tsy hijanona ho tombontsoan` ny olom-bitsy ihany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.