Actualités

Fifandraisan-davitra Tsy tara i Madagasikara


  • Talata 14 Jolay 2015

Mandalo eto amintsika Atoa Houlin Zhao, sekretera jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fifandraisan-davitra izay manana ny foibeny any Zeneva

 

. Omaly ny tenany no noraisin’ny  Praminisitra Ravelonarivo Jean  teny amin’ny toeram-piasany  teny amin’ny lapan’ny Mahazoarivo. Ny  fampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny  firenena Malagasy sy ity fikambanana iraisam-pirenena ity no tena vontoatin’ny  fahatogavan’ity tompon’andraikitra ambony ity eto  Madagasikara. Fanoitra lehibe eo amin’ny  fampiroboroboana ny toekarena ny fahafehezan’ny  firenena iray ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra ka izany no tokony  hifehezana azy tsara, hoy atoa Houlin  Zhao. Raha ny momba an’i Madagasikara  kosa dia nanambara izy fa  tsy azo lazaina ho tara mihitsy ny Malagasy amin’ny fanarahana ny fivoaran’ny  teknolojia. Porofo  azo raisina amin’izany  ny efa firosoan’i Madagasikara amin’ny fampiasana ny fahitalavitra “ numerique”, ny  efa fampiasantsika ny 4 G sy ny  fananantsika ny  fifandraisana “WIFI” izay  tokony  ho tanjona ny hanapariahana azy eny anivon’ny sekoly.

Andry Ratovo  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT