Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, tany Morondava tamin’ity herinandro ity, raha ny fampitam-baovao voaray.
Fampahafantarana ny fipetrahan’ny Wifiber ao an-toerana na ny marimarina kokoa, ho an’ny faritr’i Menabe, no tena anton-dia, hoy ny fanazavana. Nampahafantarina tamin’io fotoana io koa ny fahatongavan’ny antsoina hoe eSIM an’ny Orange Madagascar, izany hoe SIM 100% dizitaly mba hanamorana hatrany ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ao an-toerana no sady fiarovana ny tontolo iainana ihany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ny alin’ny 10 mey teo moa dia nisy ihany koa ny atrikasa natao tao Antalaha momba izany, indrindra, ny mety ho tombontsoa ho azo avy aminy eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana lavanila ao amin’ny faritr’i SAVA, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.