Fifandraisan-davitra

Manjaka hatreny an-tsena ny fifanambakàna


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

ny heverina ho halatra amin’ny fomba mihaja fanaon’ireo sampam-pifandraisan-davitra na «opérateur téléphonique» amin’ny alalan’ny fakàna sarany ambony amin’ireo antso na fifanakalozam-bola any anaty finday any. Efa nitarainan’ireo mpanjifa malagasy hatramin’izay io ary nahavelom-panontaniana lava mikasika ny niafaran’ny fanadihadiana parlemantera momba izany, indrindra, ny nambara fa fandraisan’andraikitry ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’ireo sampana miandraikitra izany endrika fanambakàna vahoaka izany. Nandrasana anefa izay fandraisan’andraikitra saingy hatramin’izao dia mbola sahy manao izay danin’ny kibony hatrany ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra. Tsy nidina intsony ny saran’ny fahafaha-misitraka tambazotra na «connexion», ohatra, fa mbola iny avo 3 heny amin’ny sarany teo aloha iny ihany. Ankehitriny dia hita ho manjaka hatreny an-tsena na irony antsoina hoe «cash point» sy mpivarotra fahana irony mihitsy izay endrika fifanambakana, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa voaray, satria dia maro amin’ireo mpivarotra no sahy manondrotra ny vidin’ireo fahana efa voasoratra mazava amin’ireo karatra izao ny tena tokony ho vidiny, izany hoe, raha fahana tokony hisanda 1000 Ariary, ohatra, dia akarin’ireo mpivarotra 1100 Ariary. Ny misoratra 500 Ariary lazaina fa 600 Ariary. Ny 2000 Ariary lazaina fa 2200 Ariary dia toy izany hatrany. Aiza ny tomponandraikitra tokony hanara-maso izany rehetra izany?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT