Actualités

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta


  • Alarobia 18 Oktobra 2017

Andian-jiolahy miisa 5 mitam-basy nikasa hanafika teny Ankadivory Ampitatafika no voasambotry ny zandary nanao fisafoana ny alakamisy alin’ny 12 oktobra tokony ho tamin’ny 12 ora. Efa tafahanika ny tambohon’ny tokantrano saika hokendreny, ary efa tany anaty efitrano aza no tsikaritry ny zandary, ka raikitra ny sakoroka.

Tsy nisalasala ireo olon-dratsy fa nitifitra avy hatrany, ka voatery namaly ny zandary. Tsy nahavoka ireo olon-dratsy, ka tra-tehaka ny 3 ary tafaporitsaka ny 2. Nanentana ny fahamalinan’ny tsirairay sy ny fangatahana fampitam-baovao haingana ny zandary tamin’ny alalan’ny Lehiben’ny CIRGN Kolonely Ravoavy Zafisambatra, rehefa misy zavatra mampiahiahy ny tsirairay ka hahafahan’ny mpitandro ny filaminana manao ny asany avy hatrany. Azon’ny isam-batan’olona atao rahateo ny maka ireo laharana hahafahana miantso ny zandary akaiky azy. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia jiolahy malaza antsoina hoe  Mika Beloha no lavon’ny bala, tafaporitsaka kosa ny iray. Tompon’antoka tamina fanafihana niseho teny Andravoahangy izy ireo. Ny horonantsary fanaraha-mason’ilay orinasa no niaingana, ary nahafahana namantatra sy nisambotra ireo olon-dratsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT