Saoferan’ny distrika nitondra mpitandro filaminana nanara-dia malaso avy nangalatra omby miisa 400, ny harivan’ny sabotsy teo, tamina tanŕna iray any amin’ny Distrikan’Ankazoabo Atsimo
, no maty lavon’ny balan’ny dahalo teo anelanelan’ny tanàna atao hoe : Andohanapandra sy Ebona, lalana mihazo ny Distrikan’i Sakaraha ny alahady alina. Zandary telo sy polisy iray tamin’ireo mpanara-dia naratra mafy voatifitra nandritry ny nandritra ny fifadonana tamin’ireo malaso nirongo basy mahery vaika. Nisesisesy tato ho ato ny asan-dahalo narahina vono olona any amin’ny Distrikan’Ankazoabo Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana. Mandry andrin’antsy ny vahoaka.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.