Dingana tsy maintsy tanterahina ary tafiditra ao anatin` ny politikan` ny fitsarana ny famindran-toerana ho an` ireo mpitsara mihoatra ny dimy taona eo amin`ny toerana iray.
Araka ny nambaran` ny Mpitahiry ny Fitombokasam-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo, ilaina ny fifampizarana traik` efa, ka noho izany dia tokony hisy ny fifandimbiasana (rotation) ho an’ireo mpitsara rehetra eto Madagasikara. « Tsy hoe tsy nety ny nataon’ireo nafindra toerana fa fanapahan-kevitra efa noraisina teo aloha izao ho fanatsarana ny fomba fiasa, no sady ho fanohizana ny fanovozana fahalalana hatrany sy fizarana traikefa any amin’ny toeran-kafa ary mba ho fanomezana fanondrotana ny hafa, mba ho famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana». Mahakasika ireo mpitsara mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara kosa, dia nilaza izy fa ny lalàna sy sata mifehy ny Filankevitra io no mamaritra fa tsy azo esorina na omena toerana hafa izy ireo mandram-pahatapitry ny fotoam-piasany. Tsy mainsty miandry ny fahataperany « mandat » izany vao azo atao ny mamindra toerana ireo mpitsara voakasika izany. Nanambara hatrany ny Minisitry ny Fitsarana moa fa amin’io fotoam-pivoriana manaraka io ihany koa no handinihana ny raharaha momba ireo mpitsara mety nanao fahadisoana ka hiakatra filankevitra momba ny famaizana (CODIS). Miisa 122 ireo Mpitsara nafindra toerana hiasana ka ny 37 amin’izy ireo dia lehiben’ny fampanoavana sy ny filohan ‘ny Fitsarana, araka ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fivoriana faharoa notanterahin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM) ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa teboka maromaro no lahadinika tamin’ity fivoriana farany ity, anisan’izany moa ny famindrana toerana hiasana, ny famenoana ireo toerana banga tsy misy mpiandraikitra, ny fanofanana arak’asa ary ny fangatahana hanohy na fitazonana andraikitra na asa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.