Niteraka adihevitra eny amin’ny tambajotran-tserasera amin’izao ilay taratasim-panjakana misy ny sonian’ny Filohan’ny Filankevitra Monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Atoa Ralitera Andramparany ny 20 aogositra teo miantso ny Filankevitra monisipaly,
hivory tsy ara-potoana mandritra ny 3 andro manomboka anio 26 aogositra hatramin’ny zoma ho avy izao. Voalazan’io taratasy io fa isan’ny lahadinika ao anatin’izany ny fifanarahana hanomezana tany orinasa TOM eny Anosipatrana sy eny Alarobia. Tsy fantatra mazava aloha na toerana hafa io ilay misy ny MBS, izay efa nanomezana fe-potoana enim-bolana hialan’ity farany. Rehefa natao ny fikarohana, dia ao anatin’ny Vondron’orinasa Axian, an’ilay mpandraharaha karana mpanefoefo Hassanein Hiridjee ny orinasa TOM. Ny adihevitra miely eny any tambajotran-tserasera kosa dia ny hoe: hoesorina izany ny Malagasy, dia omena hampiasain’ny karana ny tany.
NIKORAPAKA
Hita ho nikorapaka ny teo anivon’ny kaominina rehefa niparitaka ny taratasy ka namoaka fanambarana omaly manoloana io resaka io. Nanamafy izany tao amin’ny pejy facebook’ny ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ka nilaza fa ny mpanatanteraka eo anivon’ny CUA dia tsy nampiditra velively ao anatin'ny lahadiniky ny fivorian'ny filankevitra monisipaly mahakasika ny fifanarahana eo amin'ny orinasa TOM izahay. Tsy azo raisina ary tsy mitombona ny fangatahan’ny orinasa TOM satria tsy feno ireo fepetra teknika ary mbola tsy voaefa ny trosany amin’ny CUA, hoy ny fanambarana.
Legende:Nolazaina fa tahaka ny tsy misy indray izany ity taratasy nampiditra ho isan’ny lahadinika ny resaka tany eny Anosipatrana ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.