Actualités

Fifanarahana ara-pambolena Fanoitra ho amin’ny fampandrosoana


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Ny 30%-n’ny vokatra ara-toekarena anatin’ny firenena Malagasy dia avy amin’ny sehatry ny fambolena avokoa

. Mandrafitra izany ny 80%-n’ireo mpamboly izay misedra olana maro eo am-panatanterahana ny asan’izy ireo toy ny hakelin’ny vokatra, ny haratsin’ny kalitao, ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa tahaka ny lalana manakana ny fifanakalozana, ny tsy fahampian’ny trano fitahirizana sy ny fanodinana, ny tsy fahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary ny tsy fananana politika mazava eo amin’io sehatra io. Azo sorohana amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-pambolena eo amin’ny orinasa mpanodim-bokatra sy ireo mpamboly madinika anefa io trangan-javatra io, raha ny fanadihadiana notanterahan’ny GIZ alemà. Misahana ny fanamorana ny fisian’ireo karazam-piaraha-miombon’antoka ity fifanaraham-piaraha-miasa alemà ity. Hita sy voafaritra tsara ao anatin’izany fifanarahana ara-pambolena eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpamokatra izany ny anjara andrakitry ny roa tonta izay samy hahazo tombontsoa mifanandrify amin’ny hetaheta sy filany avy. Resy lahatra fa hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara io fiaraha-miasa efa nasongadin’ny fitondrana Ravalomanana tao anatin’ny Madagasikara Am-Perinasa ao anatin’ny Teny Ifanomezana faha-4 ahitana Fanamby 6. Mikarakara fampiofanana momba ny fifanarahana ara-pambolena moa ankehitriny ny GIZ.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT