Fifanarahana amin’ireo kaompanian-tsolika 4

Ho tapitra amin’ny mey, hampiditra Rosianina na Qataris…


  • Zoma 27 Febroary 2026

Niresaka mikasika ny tontolon’ny famatsiana

solika eto Madagasikara ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko nandritra ny fihaonana tamin’ny diaspora tany Frantsa. Nambarany ny resaka ampihimamba, ka hampiditra mpamatsy solika na Pétroliers hafa any Madagasikara, fa tsy tafiditra. Izy io ihany koa, anefa hoy izy, misy fandaharam-potoanan’Andriamanitra angamba fa ho tapitra amin’ny volana mey izao ny fifanarahana amin’ireo kaompanian-tsolika 4. Nilaza ity farany, fa amin’izao fotoana izao dia misy pétroliers Rosianina roa na avy any Qatar ho tonga eto Madagasikara. Somary nanaitra ihany io ary tena stratejika eo anatrehan’ny tsy tena fisian’ny fifaninana eo amin’io sehatra io. Hanao ahoana ny tohin’ny fifanarahana amin’ny volana mey ? Ho vita ve ny tsindry hisiana fifanarahana mahomby kokoa amin’ireo orinasa 4 lehibe izay an-dry zareo Tandrefana ? Sa hanalalaka ny sehatra fotsiny ka hampiditra ny Tatsinanana mba hisian’ny fifaninanana ? Na tiana na tsy tiana aloha, tsy resaka teknika fotsiny io fa mifandraika ihany koa amin’ny politika sy jeopolitika. Tena stratejika amin’ny toekarena ihany koa ny solika izay tsy maintsy hafarana hatreto. Tena ny fampidirana kaompania vahiny izay na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hitady tombony no vahaolana sa ny fananganana sy famerenana indray ny raffinerie eto Madagasikara ? Manao ahoana ny fanetsehana ireo loharanon-karena ambanin’ny tany eto izay anisany ny menaka mavesatra izay efa nisy Malagasy manam-pahaizana sahy nilaza sy nanaporofo fa afaka mamadika ny menaka mavesatra na « huile lourde » ho solika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT