Ny zoma 05 septambra teo tamin’ny 10 ora maraina, no vita ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo anivon’ny orinasa Ambatovy Tanandava an-daniny sy ny zandarimariam-pirenena Atsinanana sy Alaotra-mangoro an-kilany, mikasika ny “fiarovana manokana” ny orinasa Ambatovy.
Voalazan’Ambatovy izay nohamafisin’ny zandary Toamasina, fa ho fametrahana tontolo azo antoka ho an’ny asan’ny orinasa Ambatovy hampihenana ny fatiantoka ara-toekarena sy ny olana amin’ny fanatanterahana ny asa, izao Sonia nifanaovana izao.
Zandary 50…
Nambara ihany koa fa tsy vao izao no nisy izao fiaraha-miasa sy sonia nifanaovan’ny zandary Toamasina sy ny Ambatovy, fa efa nitranga izany tamin’ny fananganana ny tobin-janaparitra na “postes avancés” an’ny zandary tao Ampitabe sy Moramanga ary Tanandava Toamasina. Zandary 50 isa eo izany no hisahana ny hery vonjy taitra ho fiarovana manokana an’Ambatovy amin’izao fiaraha-miasa izao, ka misy ny ao Alaotra Mangoro sy ny Atsinanana. Ankoatra izay dia milaza ny mahalala ny raharaha fa noho ilay fanambarana nataon’ingahy Rakotomalala Henri farany teo no nahatonga izao fiaraha-miasa tampoka izao, satria efa niteraka tsy fiasana andro maromaro tamin’ireo mpiasan’Ambatovy sy nisy fiantraikany tamin’ny famokarana nataon’ity orinasa mpitandraka nikela sy kobalta ity, ny fihetsiketsehana nitranga roa taona lasa izay, izay voatery nisamborana sy nanagadrana an’ingahy Rakotomalala Henri sy ireo namany maromaro nolazaina fa mpitarika ny hetsika tamin’izany.
Ampandeferina ny vahoaka ?
Somary nanaitra ihany ity fiaraha-miasa hafa kely teo amin’ny tetikasa Ambatovy sy ny zandarimariam-pirenena ity satria miaina ao anatina tsy filaminana ny firenena, maro ny faritra, kaominina, fokontany mitaky ny hametrahana tobin-janaparitra kanefa mitarazoka be ny fametrahana izany, ary ambara fa tsy ampy ny vola sy ny fitaovana. Mahagaga anefa fa zandary 50 avy hatrany no alefa hiandry sy hiaro ny tetikasa Ambatovy amin’izay toerana rehetra misy azy. Ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena mihitsy no nanasonia ilay fifanarahana, ary araka ny fitadidiana sy ara-tantara dia sambany no nisy tahaka an’io teto Madagasikara hoe orinasa vahiny tsy miankina mahazo fiarovana manokana avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Tsy maintsy misy resaka vola ao ambadik’izany rehetra izany saingy tsy naseho mangarahara tamin’ny rehetra ilay izy hatreto aloha. Koa tahaka izao ary ny fanontaniana mby tonga ao an-tsaina avy hatrany : miaro ny vahoaka sy ny fananany marina ve, sa miaro ny mpanambola sy ny fananany ny mpitandro filaminana eto amintsika ? Rehefa olom-pirenena tsotra ve izany dia rehefa avy misy manafika sy manana ny maratra na maty vao jeren’ny mpitandro filaminana, fa rehefa mpanankarena na orinasa matanjaka sy manambola be dia ambenana isan’andro 24 ora ao anatin’ny 24 ora ? Nahoana no tsy mikaroka hevitra ny fanjakana hametrahana tobina zandary sy miaramila maro be any amin’ireo tontolo ambanivohitra hanjakan’ny asan-jiolahy isan’andro vaky izao ? Sa ve ampadeferina foana izany ny vahoaka fa ny efa manana ihany no mbola arovana eto amin’ity firenena ity e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.