Fifanakalozam-bola amin’ny finday

Tsy mandry fahalemana ihany koa


  • Zoma 28 Febroary 2025

Matetika tato ho ato ny fampitandremana nataon’ireo orinasam-pifandraisan-davitra sy fifanakalozam-bola

amin’ny finday mikasika ny fisian’ireo misoloky ny anaran’ny orinasan’izy ireo hakàna vola amin’ireo mpanjifany. Maro ihany koa, eo anatrehan’izany, ireo fitarainana voaray avy amina mpiasana orinasa samihafa ho niharan’izany fisintonam-bola tsy fantam-pihaviana sy antony tanaty findain’izy ireo izany. Misy ireo milaza ho very hatrany amin’ny 1.000.000 Ariary na mihoatra, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Misy amin’ireo orinasa no lasa nanana fahazarana handefa ny tambin-karaman’ireo mpiasany amin’ny alalan’ireny tekinolojia vaovao ireny, indrindra, ireo orinasa madinika nefa amin’izao fotoana izao saingy ilaina hatrany, araka izany, ny fahamailoana. Andrasana koa, araka izany, etsy ankilan’izay ny fandraisana fepetra avy amin’ireo mpandraharaha amin’izay sehatry ny fifandraisan-davitra izay na koa ny fitandroana ny filaminana sy ireo tomponandraiki-panjakàna. Ny resaka fanadihadiana parlemantera mifandraika amin’izany moa efa niaraha-nahalala fa maty momoka sy mampametra-panontaniana hatreto hoe mety mbola mba hitohy ihany ve fa dia tsy mandry fahalemana ihany koa aloha, araka izany, izay fifanakalozam-bola amin’ny finday izay?
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT