Nisesy ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo teto Antananarivo sy ny manodidina.
. Tetsy Marais Masay izao ny tolakandron’ny sabotsy teo, dia nitsimbadika ambony ambany ny fiara iray rehefa avy nandona fiarakaretsaka. Vokatry ny fandehanana mafy no nitarika ny loza. Samy potika avokoa ireo fiara ireo, soa fa tsy nisy aina nafoy. Teny amin’ny “digue” Fenoarivo indray dia nitsoraka tany an-tanimbary omaly ny fiarakely Peugeot 106, rehefa tsy voafehin’ny mpamily ilay fiara. Teny amin’ny by-pass indray dia fiara Golf anankiroa no nifandona ary samy potika vokatry ny fandehanana mafy, rehefa nifanenjika tamina Sprinter ny iray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.