Actualités

FIER MADA Hisintona ny mpanjifa vahiny


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Hetsika efa manana ny toerany eto amin’ny firenena ankehitriny ny «Foire Internationale de l’Economie Rurale de Madagascar» na FIER-Mada, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina Ramanantsoa Jacques

15 taona izay nampisongadinana ny anjara toeran’ny ny tontolo ambanivohitra. Porofon’izany ny fitombon’ny isan’ireo tantsaha mpandray anjara isan-taona izay mahatratra 280 tamin’ity taona 2014 ity ary hiakatra ho 300 amin’ny taona 2015. Tsy nijanona fotsiny tamin’ny fampahafantarana ny vokatry ny tantsaha ny antom-pisian’ny FIER-Mada fa nanentanana ihany koa ny teknisiana sy ireo mpanangom-bokatra mba hifanome tànana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fifanakalozana mifototra amin’ireo karazana vokatry ny tany. Sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara anefa ny tsy fanajana ny lalàna miaraka amin’ireo fitaka sy fifanambakana. Azo vahana amin’ny fanovana toe-tsaina sy fametrahana ny rariny sy ny hitsiny mampiavaka ny soa toavina tena Malagasy io trangan-javatra mampalahelo io, hoy ity tompon’andraikitra voalohan’ny FIER-Mada ity. Efa afapo tanteraka amin’ny hetsika ireo mpanjifa eto an-toerana ka tanjona ny hisintona amin’izay ireo mpanjifa vahiny, hoy Ramanantsoa Jacques

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT