FIER MADA ANDIANY FAHA-25

Hisarihana mpampiasa vola ho an’ny tontolo ambanivohitra


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alarobia 07 Aogositra teny amin’ny kianjan’ny

Makis Andohatapenaka ilay hetsika Fier Mada andiany faha-25 entina hampirantiana ny vokatry ny tantsaha. Somary niavaka kely ity andiany ity raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Jacques izay mpikarakara. Nambarany mantsy fa tantsaha 100% manara-dalana avokoa ireo mpandray anjara izany hoe : manana taratasy avy amin’ny Ministeran’ny fiompiana sy ny fambolena manamarina ny nandoavany hetra. Tanjona amin’ny hetsika araka izany ny mba hahafahana manohana azy ireo amin’ny alalan’ny fisintonana mpampiasa vola mba hampiasa izany eny anivon’ny tontolon’ny ambanivohitra. Mba hampavitrika ireo tantsaha sy hanaovany ny tsara kokoa hatrany anefa dia tokony hisy hoy hatrany Ramanantsoa Jacques ny tolo-tanana entin’ny fanjakana Malagasy ho an’ny tantsaha indrindra rehefa mandalo eto amintsika ireny karazana loza voajanahary ireny toy ny ora-mikija sy haintany ireny. Maro amin’ireo tantsaha mantsy no tena very fanahy mbola velona tsy mahita izay alehany intsony rehefa tratran’ireny tranga ireny. Antony nisafidian’izy ireo ilay loha-hevitra manao hoe : Toe-karena ambanivohitra miroborobo arovan’ny fanjakana amin’ny loza rehetra mihatra amin’ny asa famokarana, izany, loha-hevitra tamin’ity taona 2024 ity. Tsiahivina moa fa haharitra 5 andro ny hetsika izay mampiranty ny vokatra sy ny asa tanana Malagasy manontolo. Natao hamerenana ny endriky ny tsena Malagasy fahiny tetsy Analakely miaraka amin’ny elo fotsy izany izay nahavory olona an-jatony sahady omaly Alarobia andro voalohany.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihan’ireo tompon’andraikitra ny trano eva !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT