Actualités

FIER Mada andiany faha-17 Hanomboka amin’ny 5 aogositra


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Hotanterahina ny 05 ka hatramin'ny 09 Aogositra ho avy izao etsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ilay hetsika ara-toekarena Fier Mada andiany faha-17, karakarain'ny fikambanana Fier Mada.

 "Fihavanana marina : arindra ny tetikasa rehetra eto Madagasikara hampanankarena ny mpamokatra" no lohahevitra hampitondraina ny hetsika ahitana tranoheva am-polony izay hivarotra sy hampiranty ireo karazam-bokatra sy sakafo misy eto amintsika. Tafiditra ao anatin'izany ny karazana trondro an-dranomasina hiarahana amin'ny poissonnerie Manda, ny trondro lena, ny tantely avy any amin'ny faritra maro izay tena ilaina tokoa amin'izao vanim-potoanan'ny ririnina izao, ny haninkotrana toy ny mangahazo sy ny vomanga vaventy. Tsy latsa-danja amin'ireo ireo karazana harona, pôketra vita amin'ny rofia sy ny akora maro samihafa miampy ireo kojakojan-tokantrano toy ny sahafa ... Manohana akaiky ny hetsika ny kaominina Antananarivo Renivohitra hahafahana manampy tosika ireo tantsaha mpamokatra, eto amintsika miaraka amin'ny minisiteran'ny fambolena sy ny JICA. Artista maro no ho avy hanafana ny fotoana ahitana an'i Antsa an'i Kristy, Tarika Ramafadrahona, Rajean Knack, Melôdihy Mozika, Tarika Telofangady, Samoela raha i Dadavy kosa no hanao ny fanentanana mandritra ny roa andro.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT