Miditra amin’ny andiany faha-16 ny «Foire Internationale de l’Economie Rurale de Madagascar» manomboka anio alarobia 6 ary hifarana ny alahady 10 aogositra ho avy izao. Hampiavaka ity FIER-Mada 2014 ity ny fanatanterahana azy ao amin’ny tany malalaky ny kolejy Masina Misely Amparibe.
Tao amin’ny tokotanin’ny Esca Antanimena hatrany moa no nampiantrano ireo andiany 15 voalohany. Hitombo ihany koa ny isan’ireo tranohevan’ireo mpandray anjara izay vinavinaina ho 280 raha 250 izany tamin’ny taon-dasa. Hetsika fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana ireo vokatry ny tany avy amin’ireo faritra 22 manerana an’i Madagasikara no antom-pisian’ny FIER-Mada, hoy ny filoha mpanorina Ramanantsoa Jacques. Fotoana ihany koa izy io hahafantarana ireo fomba amam-panaon’ireo firenena nosy manodidina antsika eo amin’ity sehatra ity. Tsara mantsy ny mampahatsiahy fa mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika ry zareo tantsaha sy mpandraharaha ara-toekarena avy ao La Réunion, Maorisy, Kaomaoro ary Seychelles. Mpifaninana matotra manana faniriana ny ho sompitry ny ranomasina Indiana izy ireo tsirairay avy ka tsy maintsy miezaka isika eto Madagasikara mitana io sata eo am-pelatanantsika io, hoy ity injeniera mpikarakara ny hetsika ity. Laharam-pahamehana amin’izany ny fanamafisana ny firaisankinan’ireo tantsaha, teknisianina ary ireo mpanangom-bokatra Malagasy, hoy ny fanampim-panazavany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.