FIEFERANA AVARADRANO

Zaza roa no maty nilatsaham-potaka omaly


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Zaza roa be izao no fantatra fa indray maty nilatsaham-potaka omaly Talata 27 Febroary

tany amin'ny Sekoly iray ao Soanarivo Kaominina Fiaferana, distrikan’Avaradrano. Nanodidina ny tamin'ny mitatao vovonana tany ho any no nitrangan’ny loza, raha araka ny vaovao azo. Vao nanomboka kely ilay orana dia niseho ny loza hoy hatrany ny vaovao, zaza fantatra fa handeha hanohy fianarana hariva ny iray. Avy hatrany dia nitsipaka izy ireo na dia efa nitadiavana vahaolana aza ny nanavotana ny ainy. Tsiahivina moa fa tsy teto an-drenivohitra ihany no avibe tahaka iny ny ranon’orana omaly Talata mitatao vovonana. Saika nahitana izany avokoa ny faritra maro nanodidina an’Antananarivo izay marihina fa niaraka tamin’ny rivo-mahery. Tsy dia naharitra loatra anefa izany. Marihina moa fa nisy tamin’ireo faritra maro teto an-drenivohitra no tapaka ihany koa ny herinaratra nanomboka tamin’ny 12 ora omaly Talata ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 06 ora hariva.
Pati
Legende : Ireo zaza maty nilatsaham-potaka omaly tany Fieferana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT