Samy manomana paikady hahafahana miady amin’ny fidorahana zava-mahadomelina avokoa amin’izao fanombohan’ny taom-pianarana vaovao izao ny ankamaroan’ireo sekoly eto an-drenivohitra.
Vao 13 taona mantsy ny ankizy amin’izao fotoana dia efa mifoka sigara sy manandrana misotro toaka, antony nanosika ny sekoly IEF Aceem etsy Andravoahangy hifanakalo hevitra tamin’ireo Ray aman-dReny mampiana-janaka ao aminy omaly. Ho azy ireo mantsy, raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Razafimanantsoa Eliane dia na ireo mpampianatra ao aminy aza dia tsy mahazo mifoka sigara. Entitra ihany koa ny fanaraha-maso ny mpianatra mivoaka sy miditra izay tsy maintsy savaina ankoatra ireo olona mihaodihaody manodidina ny sekoly mamatsy ireny karazana zava-mahadomelina ny mpianatra ireny. Mbola hentitra ihany koa ny sekoly amin’ny fanampiana ireo ankizy tsy mahay na tsy mahafehy ny taranja siantifa hahafahana mamaly ny hetahetan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny amin’ny hahafahana mampitombo azy ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.