Actualités

Fidorohana zava-mahadomelina Olona 3 tapitrisa isan-taona no maty sy mikorotan-tsaina


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Mirongatra ny fivarotana sy fanondranana rongony eto amintsika. Tena zava-doza ho an’ny fiaraha-monina sy ny taranaka iray manontolo anefa izy ireny.

 Raha araka ny fantatra mantsy dia mahatratra 3 tapitrisa isan-taona ireo olona mamoy ny ainy sy mikorotan-tsaina maneran-tany vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina. Voakasik’izany avokoa hoy dokotera Manitra Rakotoarivony, ralen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana na ireo mifoka na ireo mihinana na koa ireo mitsindrona. Tokony ho mailo hatrany ny Ray aman-dReny manoloana izany hoy dokotera Manitra indrindra fa ho an’ireo ankizy faly sy miresaka be rehefa mahita ny namany nefa manjombona sy tsy ahitan-teny firy rehefa tonga ao an-tokantrano. Toraka izany koa ho izy ireo mikasa ny hamono tena….izay kazaran’ny tratran’ny dona ara-tsaina ihany hoy izy. Nankalazaina ny Sabotsy teo ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina. Nisy ny fanentanany ireo olona manana fianakaviana manana olana ara-tsaina araka izany mba hijery akaiky azy ireny, indrindra ny tokony hisian’ny olona miandry eny amin’ireo toby mitaiza sy mikarakara olona marary saina izay nomarihiny fa tena tsy vitantsika tokoa hoy hatrany ity dokotera iray ity, nefa tsy maintsy hatao raha te-hahita vokatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT