Tsy haitraitra intsony amin'izao ny fandraisana sy ny fifohana mahadomelina eto amintsika fa efa lasa filana mihitsy. Ny 99 %-n'ireo tanora 15 ka hatramin'ny 33 taona no voakasik'izany, araka ny fanadihadiana niarahan'ny fikambanana Vokovokomanga sy ny "Institut National de Santé publique et Consommateur", fikarohana natao tamin'ny taona 2013.
Ny sahirana ara-pivelomana tany aloha no tena mandray azy ity. Amin’izao dia efa mitady fomba hahafahana mandray izany avokoa ny tanora na manam-pahalalana na manam-bola, indrindra fa ireo mifampitaona na mandeha tsiroaroa. Ny tena mampalahelo ankoatra ireo voalaza ireo dia i Madagasikara no firenena hita fa manao gaboraraka ny fampahafantarana ireny karazana zavamahadomelina ireny indrindra. Diso malalaka loatra ny dokambarotra atao mikasika azy ireny na dia misy aza ny lalàna mifehy, saingy tsy misy mpiraharaha. Manoloana ireo tranga ireo dia misy indray ny dinika tanterahin'ireo mpikambana eo anivon'ny fikambanana Vokovokomanga eny Ankadikely Ilafy nanomboka omaly, hetsika fanaony isaky ny efa-taona ao anatin'ny zaikaben'izy ireo faha-21. Haharitra hateloana izany, hatrehin'ireo mpikambana manerana ny Nosy. Tanjona ny hahafahana manohy ny ady hatao amin'ny fidorohana zava-mahadomelina eto amintsika, amin'ny alalan'ny fakana ny hevitr'ireo mpizaika." Omeo hanina izy, hoy i Jesoa" , no tenin'Andriamanitra hitondrana ny hetsika hahafahana manentana ny olona indray sy hampahafantarana azy ireo ny lalàna misy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.