Nampatsiahy ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany miaraka amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny fa misy ireo fepetra tsy maintsy arahan’ireo vahiny miasa amin’ny sehatry ny hotely ka ho avy any Nosy Be.
Ka voalohhany amin’izany ny fandefasana taratasy fangatahana any amin’ny Aviation Civile de Madagascar, izay hanome ny alalahana hahafahana miondra amin’ny fiaramanidina; hatreto dia ny Ethiopian Airlines aloha no hitatitra mpandeha avy any ivelany miditra an’i Nosy Be.Fa ankoatr’izay dia tsy maintsy mampiseho ny valin’ny fitiliana PCR Négatif, natao tao anatin’ny 72 ora ny vahiny rehetra miditra an’i Nosy be; mbola atao fitiliana PCR eo am-pahatongavana; mihiboka 48 mandra-piandry ny valin’ny fitiliana;manaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra; tsy maintsy manao arotava (sokajy FFP2) mandritra ny sidina ary soloina isaky ny adin’ny telo izany; azo amin’ny antso an-telefaonina amin’ny fotoana rehetra ry farany dia manasonia taratasy manaiky ny fanajana ireo fepetra rehetra amin’ny ady atao amin’ny Covid 19 eto Madagasikara.Rahampitso alakamisy 01 oktobra moa no hanomboka hisokatra ny sidina iraisam-pirenena any Nosy Be, ary hatreto dia mpiazahantany 1000 no fantatra fa efa nanao famandrian-toerana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.