Tovolahy iray 22 taona no naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora ny 09 Novambra teo.
Raha araka ny fantatra dia niditra an-kosoka « piratage » tamina pejy facebook maromaro ity tovolahy ity . Nanana olana ny tompon’ireo pejy facebook ireo noho ny tsy fahafahany niditra tao anatin’izany. Izy mivady tompony mihitsy no indray tratra . Nanao filazana izy ireo araka izany mba hahafahana mitady izay olona afaka manampy azy ireo amin’ny famahana ny olana . Nisy naman’izy ireo nanoro informaticien afaka mamerina ilay 8 pejy ,ka vola mitentina 700.000 Ar no notakiany ho sandan’izany .Tsy nanan-tsafidy moa izy mivady fa tsy maintsy nandoa satria antoky ny fampahafantarana ny asa hataon’izy ireo sy ny orinasany ireo pejy hampiasainy ireo . Andro vitsivitsy taty aoriana ary dia taitra izy mivady fa tsy nisokatra ihany koa ireo pejy hafa ary rehefa nanatona ilay informaticien indray izy ireo dia nilaza ity farany fa mila vola 1.200.000 Ar hahafahany mamerina ireo pejy hafa indray. Nolazainy fa misy namany miara-miasa aminy any an-dafy ka izay no mahalafolafo ilay asa hataony . Nanomboka mailo izy mivady taorian’izany ary nanatona ny Sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny Cybercriminalité ka taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ilay informaticien dia mbola tratra tao anaty finday hampiasainy avokoa ireo porofo rehetra manamarina fa izy ihany no nanao ilay fidirana an-kosoka « piratage » tamin’ireo pejy facebook izay hampiasain’izy mivady amin’ny asany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.