Actualités

Fidirana amin’ny taom-pitsarana 2023 Hiato 2 andro ny fandraisan-draharaha etsy Anosy


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Hiato ny fandraisan-draharaha etsy anivon’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ny 09 sy ny 10 Martsa ho avy izao izany hoe :

rahampitso Alakamisy sy afaka rahampitso Zoma. Noho ny fisian’ilay fotoam-pitsarana manetriketrika entina hamaranana tanteraka ny taom-pitsarana taona 2022 sy ny fidirana amin’ny taom-pitsarana 2023 no anton’izany. Fotoam-pitsarana manetriketrika hatrehin’ny filoham-pirenena sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony indrindra fa ny mpitsara no hotanterahina amin’izany. Nampilaza ny firaiketan-draharahara eo anivon’ny fitsarana araka izany omaly fa afaka mijery ny peta-drindrina eny an-toerana manomboka anio Alarobia 08 Martsa ireo olona manan-draharaha tokony handeha amin’ireo daty roa voalaza etsy ambony ireo. Horaiketina ao anatin’izany peta-drindrina izany mantsy ny fotoana hanemorana ilay fotoam-pitsarana ho an’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika. Amin’ny Alatsinainy 13 Martsa ho avy izao araka izany vao hiverina amin’ny laoniny tanteraka ny asa rehetra eo anivon’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT