Fidèle Razara Pierre

Naneho ny ahiahiny an'i Jeneraly Ravalomanana...


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Mbola SEG i Jeneraly Ravalomanana Richard no nifandray tamin’i Singh Kushwinder

ka inona marina no andraikiny tamin’izany?" hoy i Fidèle Razara Pierre, solombavambahoaka izay manaitra ny saina amin’ny fahanginana manodidina ny raharaha Boeing 777. Raha ny fanazavany, dia mampiahiahy ny tsy fahasahian’i Jeneraly Ravalomanana Richard miroso amin’ny fanadihadiana parlemantera, indrindra fa efa misy manampahaizana ara-dalàna, mpitsara, mpisolovava ary teknisianina momba ny fitaterana ao amin’ny Antenimiera. Maro ireo lesoka amin’ny rafitra fitsarana eto Madagasikara, ary efa nihaiky izany mihitsy ireo zandary, hoy hatrany i Fidèle Razara Pierre. Mbola tsy miroso amin’ny dingana ara-pitsarana hatreto ity raharaha ity, ka tsy tokony hisy sakana hanatanterahana izany. Ny raharaha Boeing 777, izay niteraka resabe iraisam-pirenena, dia nanomboka amin’ny fanomezana CIP (certificat d’immatriculation provisoire) sy CNP (Certificat de Navigabilité Provisoire) nataon’ny ACM ho an’ny fiaramanidina dimy an’ny UDAAN Aviation, orinasa sarinrsariny nataon-dry Khushwinder Singh sy Heriniaina Rijasoa Andriamananarivo. Saingy ireo taratasy ireo dia nolazaina fa nampiasaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ka nitarika ny fiampitan'ireo fiaramanidina tany Iran, firenena voasazy ara-diplomatika. Nisy fisamborana natao tamin’i Heriniaina Rijasoa Andriamananarivo sy Khushwinder Singh, izay indiana teratany, ary voarohirohy mivantana amin’ny fanodinkodinana ireo fiaramanidina. Manampy trotraka ny ahiahy ny fisian’ny fifandraisana teo amin’i Jeneraly Ravalomanana Richard sy Singh Kushwinder, izay voalaza fa nifandray hatramin'ny taona 2019, ary niara-nanatrika fihaonana ara-barotra tany Inde tamin’ny 08 Desambra tamin’izany taona izany. Fanontaniana lehibe no mipetraka: inona marina no andraikiny tamin’izany fihaonana izany? Tsy minisitry ny Varotra izy, tsy solotenan’ireo vondrona mpandraharaha, ka tsy mazava ny antony nahatongavany tamin’io hetsika io, hoy i Fidèle Razarapiera naneho fa tsy tsara toerana hanatrika an'io ny Jeneraly Ravalomanana. Raha tena efa tonga eto tokoa ny FBI, dia andrasana ny fanazavana mazava sy ny fahavononan’ny tompon’andraikitra hanokatra fanadihadiana tsy miangatra.
INONA NO ANDRAIKITRY NY JENERALY RAVALOMANANA ?
Ny fampiasana anarana sy taratasy malagasy amin’ny fanodinkodinam-piaramanidina dia manimba ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary mety hisy fiantraikany amin’ny fifandraisana ara-barotra sy ara-diplomatika, indrindra amin’ny OACI na ny rafitry ny "Aviation civile" Iraisam-pirenena izay efa nangatahana hanokatra fanadihadiana iraisam-pirenena. Mipetraka àry ny fanontaniana: nahoana no mbola tsy miroso amin’ny fanadihadiana ara-pitsarana sy parlemantera? Ary inona no tena andraikitry ny Jeneraly Ravalomanana Richard amin’ity raharaha manahirana ity? Tsy fanadinoana tsimoramoea no ilaina amin’ity raharaha Boeing 777 ity, fa fanadihadiana lalina sy tsy miangatra. Tsy azo ekena intsony ny fahanginana manoloana ny fanodinkodinana fiaramanidina, ny kolikoly, ary ny fifandraisana manjavozavo amin’ny olona voarohirohy amin’ny kolikoly iraisam-pirenena. Ny zava-nitranga dia tsy tsaho, fa voarakitra amin’ny antontan-taratasy ofisialy: certificat d’immatriculation provisoire nomen’ny ACM, fiaramanidina dimy nolazaina fa hampiasaina eto Madagasikara lasa any Iran. Raha firenena hafa no nisehoan’izany tsy vitavita ho azy. Tsy azo lavina fa nisy fisamborana: Heriniaina Rijasoa Andriamananarivo sy Khushwinder Singh, indiana teratany, voarohirohy mivantana. Fa tena tsy misy manam-pahefana ambony eto tafiditra amin'io ve kanefa raharaham-panjakana io? Toa samy manadio tena mantsy ny rehetra. Tsy fanenjehana manokana no tanjona, fa fitakiana ny fahamarinana satria ny fiandrianam-pirenena no vozkirika. Tsy tokony ho sakana ny andraikitra ara-politika, tsy natao ho fiarovan-tena ny seza sy fahefana. Ny kolikoly dia tsy fanitsakitsahana lalàna fotsiny, fa fanimbana ny fitokisan’ny vahoaka, fanaratsiana ny lazan’ny firenena, ary fanakanana ny fandrosoana.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT