Nabaribarin ny depiote Fidel Razarapiera omaly fa niara niasa tamin ny tompon’ ny viva izy raha nakaton’ny fanjakana tamin’izany fotoana io haino aman-jery io.
Niray fo amam-panahy ny olona niakatra teny Ambohimitsimbina, hoy izy. Vokany, nanaiky ny fitondrana fa hosokafana indray ilay onjampeo. Ny tiany hambara dia sarotiny ny olona rehefa ny vaovaon-tserasera no kitihina. Mampatsiahy ny tenany fa tsy mety ny managadra amin’izao andro hiadiana amin ny coronavirus izao. Nohamafisiny koa fa efa lasibatry ny henjika izy sy ny minisitry ny serasera amin’izao raha namorona onjampeo nanohitra ny fitondrana tetezamita. Saika niafara tamin’ny fanagadrana fa narovan’ny mpihaino azy. Mila madio fo,araka izany, fa tsy am-bava fotsiny,hoy hatrany izy. Tsy mitsikera aho fa manitsy amin’ny maha vavolombelon’ny tantara ahy, hoy Razarapiera.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.