Omaly misandratr’andro no niakatra mpitsara mpanao famotorana ingahy Romain 39 taona avy any Vatomandry sy Marcellin 25 taona avy any Amorondran’i Fenoarivo Atsinanana, izay voasambotra noho ny fikasan’izy
mirahalahy ireto hamono an’ilay mpanakanto Rah-Ckiky tao Toamasina, ka itondrany takaitra amin’ny vatany ankehitriny. Miandry fitsarana any am-ponja izy mirahalahy ireto nanomboka omaly tolakandro. Fantatra fa valifaty ny anton’ny famonoana. Raha tsiahivina, volana vitsivitsy talohan’izao dia nisy namaky ny trano fandraisam-bahin’ity mpanakanto ity (Bungalow) tao Tsarahonenana. Rehefa natao ny fikarohana dia i Romain no nanao ny asa ratsy. Naiditra am-ponja vonjimaika izy taorian’izay. Nitalaho anefa ireo mpiara-monina sy ny fianakaviany noho ny fahasahiranany satria asa posy no hamelomany ny vady aman-janany. Nalahelo ny mpitory ka tsy niatrika ny fitsarana. Afaka soa aman-tsara noho ny fisalasalana izy. Tsy nahafaly an’i Romain izany ka izy namalifaty izao. Manahy ny mety ho valifaty ny fianakavian-dRah Ckiky ka voatery niala tsy nipetraka ao Tsarahonenana misy ny tranony sy ny fihariany amin’ny alalan’ny trano fandraisam-bahiny “Bungalow” izy ireo izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.