Mijoro ny vahoaka any Ambendrana fokontany Sahavolo kaominina Andilamena, manohitra ny tetika hangalana ny tany izay efa nipetrahan’izy ireo am-polony taona maro. Tany amin’ny taona 1928 no efa nisy nanajary ny tany tao Ambendrana
Tany honahona sy betsaka ala izy tamin’izany, araka ny filazan’ny tangalamena, Atoa Toto. Naharitra 15 taona ny fanamboarana ny lakandrano mba hahafahana mivelona sy monina tao Ambendrana, araka ny fitantaran-dRaharinirina Honorine azy. Ankehitriny, efa misy zana-tanàna telo Ambendrana dia misy mitetika ny hanafoana. Efa misy sekoly fanabeazana fototra sy fiangonana ary kianja fanaovam-baolina dia misy milaza ho tompony. Malahelo mafy ny vahoaka ao an-toerana noho ny hetraketraka ataon’ny mpanambola sy ny tsikombakomba ataon’ny mpitondra sasany ka nahavitan’io olona mibodo ny tany io ny titre ny taona 2012. Tompon’andraikitra ara-panjakana teo aloha sy ankehitriny no fantatra fa manery ireo vahoaka hiala amin’ny taniny. Tsy hiala izahay na misy hotapahin-doha aza, hoy ny hiaka ataon’izy ireo. Ny volana aogositra tamin’ity taona ity, raha nikasa hidina hametraka tsatobato tany an-toerana ilay milaza ho tompon’ny tany izay notarihan’ny sefo distrika dia tsy tanteraka noho ny fahamaroan’ny vahoaka nanakana azy. Miantso fandraisana andraikitry ny fitondrana foibe izy ireo amin’io tsindry hazo lena mahazo azy ireo io. Nambaran’ny ben’ny tanàna Andilamena Atoa Ranaivosolo fa miaro ny vahoaka ao Ambendrana izy satria efa ela no naha tanàna izany Ambendrana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.