Actualités

Fibodoana fananana teny Mandrosoa Ivato « Mamofompofona kolikoly avo lenta »


  • Alarobia 20 Mey 2020

Ny 13 mey teo no tokony nitsaraha ny raharaha fibodoana fananana miharo fanolanana teny Mandrosoa Ivato raha ny fampitam-baovao voaray. Nahemotra ny 10 jona avokoa moa noho ny fandaminana ny raharaham-pitsarana rehetra tokony nandeha tamin’io fotoana io.

 

 

 

Ireo fitsarana maika handaminan-draharaha na “référé” kosa dia ho tontosaina ny 26 mey izao. Heverina fa ho isan’izany ity raharaha ity. Raha tsiahivina dia tany mirefy 6 ara sy 56 santiara mitondra ny titra laharana 3987 – H atao hoe “Tanisoamahavelona” izay misy trano fanampiana zaza sahirana antsoina hoe “Bibliocafe Tsarajoro” eo amboniny no mampifanolana ny fianakaviana Creuzet sy ny olona antsoina hoe Marie Heloise Rasoloharivony. Araka ny fitarainan’ny solontenan’ilay fianakaviana voalaza voalohany izay milaza ho lasibatra ao anatin’izao raharaha izao dia raharaha fibodoana fananan’olona tamin'ny alalana taratasy hosoka nitohy tamin’ny fanolanan-jaza nitranga teny Mandrosoa Ivato izay nampitaraina ity renim-pianakaviana ity nanomboka ny 8 martsa teo izy io. Ny 27 janoary 2020 no efa nitaraina teny amin’ny zandarimaria eny amin’ny toby Ratsimandrava izahay, hoy ity renim-pianakaviana ity, tamin’izay fotoana izay. 3 andro taorian’izay dia nandeha ny fanalana azy ireo tamin’ny tranony. Zandary avy amin’ny kaompanian’Ambohidratrimo miisa 14 lahy fa tsy ny zandary avy eo Mandrosoa anefa no nanala azy ireo tao. Manahy kolikoly avo lenta ao anatin’izao raharaha izao, araka izany ity fianakaviana ity, raha ny fanazavany hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT