Fiatrehana sy fisorohana ny loza

Nilaza fa efa vonona ny «croix rouge» malagasy


  • Alarobia 25 Jona 2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

sampan-draharaha maro eto amin’ny firenena sy iraisampirenena mikasika ny fiatrehana ny loza voajanahary sy ny fisorohana ny loza ary ny fiatrehana izany loza izany. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny IFRC na ny Federasionina iraisampirenen’ny vokovoko mena sy ny Vondrona eoropeanina ary ireo vokovoko mena rahavavy dia ny «Croix rouge» ao Alemanina sy Frantsa ary Luxembourg fa eo ihany koa ny «Croix rouge» malagasy, izay nilaza fa efa vonona ny hiatrika ny eny an-kianja taorian’izao atrikasa izao. Faritra miisa 5 izao no tena iasàna eto Madagasikara, hoy ny fanazavàn’ny mpitahiry vola nasionalin’ny Vokovoko mena malagasy, Rakotobeharivelo Josoa, dia Anosy, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo andrefana ary Analamanga. Efa samy manana ny fitaovany avy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny vokovoko mena na «croix rouge», hoy izy. Efa samy nahazo fiofanana hiatrika ny eny an-kianja ihany koa, hoy ihany izy. Nifantoka tanteraka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitarika na STAFF, mpilatsaka an-tsitrapo ary ireo rantsa-mangaikan’ny «croix rouge» isam-paritra ny atrikasa, hoy kosa ny mpandrindra tetikasa, Rasoloherivelo Andrianantenaina. Teo koa, hoy izy, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa toy ny BNGRC, ny minisitera, ny fitantanam-paritra rehetra ary ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina rehetra. Teo indrindra ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mponina eny ifotony, hoy ihany ny tenany. Miisa 150.000 moa ireo mponina hisitraka ity tetikasan’ny «Croix rouge» eto Madagasikara ity, hoy kosa ny fanamarihan’ny federasionina iraisampirenena na IFRC.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT