Fiatrehana ny tondra-drano

Hamafisina ny fanentanana sy serasera mialohan'ny loza


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Tsy misy tsy mahatsapa ny fiantraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny

toetry ny andro ny rehetra hoy ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja , Tale Jeneralin’ny BNGRC. Ny miatrika izany ka mitady ny fomba hampihenana izany no imasoana foana. Betsaka ny asa azo atao mialoha hoy izy ka tsy latsa-danja amin’izany ny resaka serasera (communication) izay tokony iraisan’ireo mpiantsehatra amin’ny resaka “humanitaire” rehetra. Nanomboka omaly ka hitohy anio etsy amin’ny Centel Antanimena ny fampivondronana ireo mpiantsehatra amin’ny resaka “humanitaire” ny Croix rouge Malagasy miaraka amin’ny BNGRC, hanatanteraka atrikasa ho entina mavolavola paikady serasera mba handefasana mialoha mialoha ny fanentanana amin’ireo olona mety ho tratran’ny rano be na tondra-drano (innondation). Araka ny fanazavan-Rtoa Andoniaina RATSIMAMANGA, sekretera jeneralin’ny croix rouge Malagasy dia fitaovana hiaingana ho entina manaitra aloha ny vahoaka amin’izay mety ho zava-mitranga ao anatin’ny loza sy tadidonin-doza izy ity mba hanalefahana ny vokadratsin’ny rano be. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fiomanana moa Atoa Tale Jeneralin’ny BNGRC ary nangataka ireo mpiantsehatra rehetra ny tenany mba tsy hanafina ny fahaiza-manaony sy traikefan’ny tsirairay mba ahafahana mananatratra ny tanjona iraisana dia ny fanamboarana ny “outils” ho entina mampilaza mialoha ny vahoaka Malagasy izay miaina anaty fahasahiranana indrindra rehefa tonga ny ranon’orana sy tondra-drano.
Lalaina RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT