Actualités

Fiatrehana ny rivodoza Freddy Manana 4 andro iomanana ny Malagasy


  • Zoma 17 Febroary 2023

Manana 4 andro ny malagasy iomanana amin’ny fiatrehana ny fihavian’ny rivodoza mahery vaika na “cyclone tropicale très intense”, Freddy, eto Madagasikara,

raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Haharitra 2 andro an-tanety i Freddy, raha ny vinavina hatrany. Hamafiso tsara daholo ny tafo amin’ny faritra atsinanana,afovoan-tany, Boeny fa matanjaka be ity Freddy ity. Raha ny vinavina dia hiditra eto Madagasikara ny talata 21 febroary izao eo anelanelan’i Toamasina sy Mananjary ity rivodoza mahery vaika manana hafainganam-pandeha 250 km isan’ora ary sokajy faha 4 na “catégorie 4” ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Hita ho efa nanomboka nanoranorana sy tsy nilamina moa ny toetr’andro io omaly io, raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina manokana.Ary raha ny vinavina ho an’ny anio zoma dia mbola hisy ny oram-baratra ho an’ny afovoantany ny tolakandro ary hanodidina ny 17 ka hatramin’ny 27°C ny maripana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT