Actualités

Fiatrehana ny rivodoza Efa vonona tanteraka ny BNGRC


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra fandalovan’ny rivodoza isika eto Madagasikara amin’izao, fe-potoana haharitra hatramin’ny faran’ny volana aprily any ho any.

 

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana izany ny birao mahaleotena misahana ny loza voajanahary, hoy Atoa Venty Thierry, sekretera mpanatanteraka ao aminy, omaly. Na dia roa amin’ireo rivodoza efatra voalaza fa handalo eto amintsika aza mantsy no tena hahery vaika fa ny roa hihaodihaody fotsiny dia efa napetrapetraka avokoa ireo fomba hiatrehana azy. Anisan’ireny ny fanentanana sy fampianarana ny mponina amin’ny fiatrehana ny loza, ny fihetsika tokony hatao. Anisan’ny paikady efa napetraka izany, hoy  ity sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny BNGRC ity nandritra ny fiatrehana ny rivodoza Enawo farany teo ka nampihena be dia be ny isan’ireo olona namoy ny ainy. Ny tanjona dia ny hiaro ny ain’ny mponina sy ny fananany manerana ireo faritra handalovan’ny  rivodoza. Nanolotra fitaovana hanamorana ny fitrohana sy fizarana rano amin’ny alalan’ny Groupes electropompe miisa 30 sy rouleu tresse 1 ho an’ny Jirama teny Mandroseza  moa omaly ny BNGRC. Natao ireny hanatsarana ny fizarana rano fisotro madio amin’ireto distrika manaraka ireto : Moramanga, Ambatondrazaka, Morondava, Taolognaro, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara, Marovoay, Mahajanga, Belo tsiribihana, Antanifotsy, Mananjary, Betroka ary Mahanoro.

 
 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

Hijery ny tohiny
FTT