Actualités

Fiatrehana ny loza voajanahary Niofana ireo mpiahy ny olona manana fahasembanana


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Miomana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ireo fikambanana miahy ny olona manana fahasembanana ao Vakinankaratra.

 

 Ny BNGRC no niara-niasa tamin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny CBM na ny Christoffel Blenden Mission. Nambaran-dRamatoa Lila Ratsifandrihamanana, tompon’andraikitra voalohan’ny CBM Madagasikara fa zava-dehibe ny fampiatiana na ny fitsinjovana ireo olona manana fahasembanana ka isaky ny 2 na 3 taona no hanaovan’izy ireo ny fanofanana toy izao ary ny BNGRC dia manana traikefa sy fahaiza-manao manokana amin’izany. Nisy ny fampiharana mivantana nataon’ireo mpiofana mba ahafahana nanitsy avy hatrany ny fiofanana satria ny tanjona dia ny tsy hisian’ny fanilikilihana ny rehetra na raisina ho vesatra eo anivon’ny fiarahamonina ny olona manana fahasembanana na andavanandro na amin’ny fisiana tranga na loza miseho fa tokony hovonjena avokoa ny rehetra. Ohatra norasina manokana ny fepetra raisina amin’ny olona marenina, izay tsy afa-mandre ny kiririoka na fanairana sy ny olona jamba tsy mahita ireo mari-pamantarana isan-karazany toy ny faneva sy ny sary isan-karazany ka hanofanana ireo mpiantsehatra mba ahafehezan’izy ireo ny fepetra manokana mikasika ireo olona manana fahasembanana tsirairay avy. Mpiofana 30 eo avy ao Vakinankaratra, Menabe sy Amoron’i Mania. Fantatra fa mbola hoentina any amin’ny faritra hafa hiasan’ny CBM ity fanofanana ny tompon’andraikitra misahana ireo olona manana fahasembanana ireo.

 Caius R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT