Fokontany miisa 20 eto an-drenivohitra izay voasokajy ho tena marefo omaly Alakamisy 23 Janoary
no notolorana fitaovana ho fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny loza amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tompon’antoka tamin’izany ny Fikambanana Croix rouge Malagasy sy ny Croix rouge Allemande izay nahitana kirioka hanairana ny olona raha tonga tampoka ny rivo-doza amin’ny alina, ny kiraro boty, ny radio hahafahana mihaino sy manaraka ny vaovao momba ny toetr’andro miampy karazana fanamiana maro samihafa. Ireo Fokontany voasokajy ho tena marefo ahiana amin’ny fihotsahan’ny tany, ny tondra-dranobe ireo notolorana fitaovana ireo raha tsiahivina. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hahay hitandro ny hikojakoja ireo fitaovana ireo araka izany Ratsietison Andry Marius, tompon’andraikitra misahana ny loza sy ny tandindon-doza eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Nankasitraka ny mpanome izy teo an-danin’izay ary nanome toky fa efa misy ny ekipa voatokana hihetsika raha vantany vao mananontanona ny loza.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.